Medias-Madagascar Investigate

Notanterahana ny alahady  16 Jiona lasa teo ny fankalazana ny « Eid ul-Adha », izay fetin’ny fanaovana sorona an’ny finoana silamo. Andro vitsy mialohan’io ny fitondram-panjakana izay mijoro no namoaka fanapahana tamin’ny didim-panjakana fa natokana ho andro tsy fiasana kanefa  andraisan-karama io andro lehiben’ny Mozilmano io. Tsy vitsy no nankalaza izany manerana ny Nosy fa niavaka ny teo amin’ny fikambanana Ahmadiyya Andavamamba. Ny tapany maraina nahatongavan’ny mpanao gazetinay dia nifandrimbona tamin’ny famonoana omby ireo mpino amin’ity fikambanana ity. Niroso tamin’ny fiaraha-nisakafo ary ny tolakandro no nozarana roa kilao avy ireo fianakaviana tonga teo amin’ny foiben’ny Ahmadiyya Andavamamba.

«Efapolo ireo omby novonoina hatao nofonkena mitam-pihavanana eto Andrenivohitra ka ny 26 amin’ireo no eto Andavamamba. Tsy nanavahana na iza na iza izany fanasoavana ny mpiara-belona sy fifampizarana nofon-kena mitam-pihavanana izany . » Hoy ny Filohan’ny fikambanana Ahmadiyya eto amin’ny Ranomasimbe Indianina,  Mulana Ahmad Mujeeb, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety. Nanambara moa ity tompanandraikitra ity fifampiazarana hafaliana amin’ny mpiara-belona izao notanterahina izao. « Tsy fanomezana hena toy izao ihany no asa fanasoavana sy fampandrosoana ny sosialy fa amin’ny endrika maro tahaka ny sehatry ny fanabeazana. Mora raha mitaha amin’ny saram-pianarana hafa ny ato amin’ny sekoly. Eo koa ny tsy fandoavana izany mihitsy fa ny fikambanana no mandray an-tanana ny sarampisoratana anarana.” Tany aloha moa nisy hatramin’ny fizarana lamba firakotra fa izao lasa laoka roa kilao be izao isam-pianakaviana.

Voalazan’ny Misionera Moussah fa ny « Eid ul-Adha » dia fankalazana ny : “ Sorona notanterahin’i Abrahama tamin’ny ondry rehefa hitan’Andriamanitra fa nanaiky nikasa hamoy ny zanany izy ka izao  tohizan’ny Mozilimano amin’ ny  « Kurbani » na famonoana omby izao”. Ireo  nahazo fanomezana sendra ny mpanao gazetinay dia samy nilaza fa matavy ireo hena homen’ireto fikambanana ireto. “Omby matavy tanteraka no hitanay niditra tato ny omby maro. Tsara ireo hena nomena anay. Isaorana izy ireo tsy manary ny mpiara-belona amin’ny laoka fety toy izao.” Hoy Lova Arlette Nomenjanahary, renim-pianakaviana iray. Fitiavana ny olona rehetra, tsy mankahala na iza na iza moa ny tarigetran’ny Fikambanana.

Vonjiniaina Claude Eric

Laisser un commentaire

Tendances

Propulsé par WordPress.com.

Concevoir un site comme celui-ci avec WordPress.com
Commencer