Medias-Madagascar Investigate

Ny kristianina tsy manda fanomezana. Nizara sakafo maro tamin’ny tany amamonina ny mpino Silamo nandritra nandritra ny fenin’ny Eid Mubarak, izay andro nanamarihana ny fahavitana ny fifadiankanina. Mandray anjara amin’ny sosialy sy ny toekarena, mivantana na ankolaka ho an’ny firenena Malagasy ny finoana Silamo. “Ankoatra ireo Mozilimano izay mpandraharaha ara-toekarena, ny fampiofanana sy ny fanabeazana tanterahin’ny Finoana Silamo amin’ireo ivon-toerana sy sekoly maro  izay hamolavolana ho amin’ny sehatry ny asa dia miantoka fivelomana Malagasy maro ity finoana ity.” Araka ny fanambaran’ny Filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na FSM, Sheikh Abdoul Hady, manoloana ny mpanao gazety, ny andron’ny Eid Mubarak, ny 10 Avrily teo, teny 67ha.

Vavaka sy fifampizarana hafaliana no nankalazana ny fetin’ny Mozilimano. “Misaotra ny fitondram-pajakana izay mijoro nanome alalana ho andro tsy fiasana izao andron’ny Eid Mubarak.” Hoy hatrany ny Filohan’ny  FSM, Sheikh Abdoul Hady. Fivavahana no nentina nanombohana ny fankalazana ny fetin’ny  Eid Mubarak , izay taorian’ny fifadinkanina Ramadan. Teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha no nankalazana izany fivavahana izany, ny marainan’ny  10  avrily teo.

Tamin-karavoana no nihaonan’ireo mpino Mozilimano tamin’izany ka fifampiarahabana feno fitsikiana sy hafaliana. Tsy vitsy ireo fianakaviana no niara-tonga tamin’ny fiara iombonana na nandeha an-tongotra saingy rehefa nihazo ny toeram-pivavahana dia nisara-dalana ny lehilahy sy ny vavy teo ambavahady vao nihazo ireo toerana natokana ivavahany avy. Naharitra ora iray latsaka teo ny fotoam-pivavahana izay nanomboka tamin’ny feonkira sy fampianarana. Nitondra ny fanamian’ny mpino Mozilimano avokoa ireo mpanaradia an’i Mahomet.

Vavaka hatrany

Rehefa vita vavaka fanomezam-boninahitra an’i Allah, samy nihazo ny tokatranony  ary nifampitsidika ireo mpivavaka ka nifampizara ny manta sy ny masaka tamin’ny alalan’ny vavaka hatrany, fiderana, fifamihinana.  

Taorian’ny vavaka tamin’ny isatokatrano, nifampizarana sakafo masaka, toy ny vary sy laoka mafapanan’ny sakay avokoa ireo tonga teny an-toerana. Mamy tanteraka ny ranontsiramamy izay mafana, tao koa ny fifampizarana ny karazana mofo tahaka ny godrogodro.

Vonjiniaina Claude Eric

Ireo mpino Silamo tonga mivavaka sy mihira anaty tokatrano

Laisser un commentaire

Tendances

Propulsé par WordPress.com.

Concevoir un site comme celui-ci avec WordPress.com
Commencer