Medias-Madagascar Investigate

Ny Ambasadaoro Claire Pierangelo dia nampiantrano ny delegasiona avy amin’ny vaomieran’ny fampitaovana sy ny hoenti-manana ao amin’ny Kongresy Amerikana tarihan’ny filohany Jason Smith izay nandalo teto Madagasikara nandritra ny roa andro hanao tombana ny vokatry ny fampiharana ny lalàna fanamorana ny fanondranana entana mankany Etazonia na AGOA. Nifampiresaka ankitsi-po tamin’ny Filoha Rajoelina sy ny solontenan’ny governemanta ary ireo mpitondra orinasa izy ireo nandritra io fitsidihanana io sady namantatra ireo orinasa manondrana vokatra amin’ny alalan’ny AGOA ahitany ireo sakana sy ny soa hoentin’ny AGOA ho an’i Madagasikara izay nametraka vao tsy ela paikadim-pirenena momba ny AGOA. Ny AGOA dia ivon’ny politika ara-toekaren’i Etazonia ao anatin’ny fifandraisana ara-barotra amin’i Afrika ary i Madagasikara dia tafaverina ho isan’ireo mpisitraka izany tamin’ny 2014.

“Ny fandaharanasa AGOA dia fototry ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Etazonia sy Madagasikara hatramin’ny fiforonany, saingy mbola mila ezaka bebe kokoa hampiroboroboana ny fifandraisantsika eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny fampiasam-bola.  Ny delegasiona dia miandrandra ny hiara-hiasa amin’ny governemanta Malagasy amin’ny dingana fanavaozana ny AGOA sy ny fanamorana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara sy ireo firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika” hoy ny Filoham-baomiera Smith.

Ity fitsidihana ity dia manamafy ny fahavononan’i Etazonia hanohana ny fitomboan’ny harin-karena eto Madagasikara sy hiantoka tontolo ara-barotra samy ahitan’ny roa tonta tombotsoa amin’ny alalan’ny AGOA. Ankoatra izay dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ezaka mitohy amin’ny fanajana ny tany tan-dalana sy ny fenitra demokratika ary ny fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana ity fitsidihana ity.

Nampian’ny Ambasadaoro Claire Pierangelo fa “Ny fitsidihan’ny Filoha Smith sy ny delegasiona izay tarihany dia manamafy ny fahavononan’ny Kongresy Amerikana sy ny fitondrana amerikana hanavao ny AGOA. Fototra iray lehibe amin’ny fandrosoana sy ny fiaraha-miasa ara-toekaren’i Madagasikara sy Etazonia ny AGOA noho izy fitaovana mitondra fiovana ho any amin’ny fampandrosoana sy ny fiarovana ireo zo sy soatoavina iombonana”.

Araka ny tarehimarika avy amin’ny governemanta amerikana dia nitotaly maherin’ny 784 000 000 dolara amerikana ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Etazonia sy Madagasikara ny taona 2023, ao anatin’izany ny fanafarana sy ny fanondranana.  Ny 622 000 000 000 dolara amin’io dia vokatra nahondran’i Madagasikara mankany Etazonia ary ny 62 000 000 dolara dia vokatra avy any Etazonia nahondrana nankaty Madagasikara.

Ny AGOA dia lalàna nivoaka ny taona 2 000 ahafahan’ireo firenena mahafeno fepetra aty amin’ny faritra atsimo’i Afrika manondrana vokatra mihoatra ny 1 800 tsy misy haba mankany amin’ny tsena amerikana, ankoatra ireo vokatra maherin’ny 5 000 afaka ahondrana tsy misy haba mankany amin’ny alalan’ny programa Generalized System of Preferences. Mba ahatratrarana ireo fepetra henjana ahazoana misitraka ny AGOA dia mila mametraka na manao ezaka mitohy hampiroboroboana ny toe-karena mifototra amin’ny tsena, ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahalalahana politika ary ny zo misitraka dingana ara-dalàna iraisan’ny rehetra ireo firenena liana amin’ny AGOA.  Ankoatra izay, dia takiana amin’ireo firenena misitraka ny AGOA ny fanafoanany ireo sakana ara-barotra sy amin’ny fampiasam-bolan’i Etazonia, sy ny fametrahany politika fampihenana ny fahantrana, iadiana amin’ny kolikoly ary fiarovana ny zo maha olona.

Haja Nirina

Laisser un commentaire

Tendances

Propulsé par WordPress.com.

Concevoir un site comme celui-ci avec WordPress.com
Commencer