Medias-Madagascar Investigate

Nisitraka ny fahefany sy ny zo ary ny safidiny ireo olompirenena manana olana ara-pahitana. Teo imason’ny mpanara-maso eto an-toerana sy iraisam-pirenena ary ny ny mpikambana ao amin’ny CENI sy ireo mpiasan’ny haino vaky jery no nandatsa-bato ny vehivavy iray tojo io olana ara-pahitana io, ny 29 mey teo, teny Soavimasoandro. Notantanana izy nihazo ny toerana manokana isafidianany izay kandida andrian’ny fony. Nitoka-monina nisafidy irery tao izy ary nampiasa ireo taratasy sy fitaovana fampiasan’ny jamba. Notantanana indray izy avy eo nandeha nandratsaka izany tao anaty vata fandatsaham-bato sy nametraka ny lavotondro ny lisitra. Tsiahivina fa anisan’ny ezaka goavan’ny tomponandraikitra eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena mahakasika ny fifidianana, nanomboka ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika farany teo, ny fahazoan’ireo olompirenena Malagasy manana olana ara-pahitana ny zony mifidy.

Ireo mpanara-maso ny fifidianana eto an-toerana, indrindra avy any ivelany dia nankasitraka izao dingana lehiben’ny Fanjakana Malagasy izao, ho amin’ny fanatanterahana sy ny fanajana ny zon’olombelona ary ny zon’olompirenena, indrindra amin’ny fifidianana toy izao.  Voalazan’izy ireo fa andrin’ny demokrasia ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara.

Tsy vitsy koa ireo teny Soavimasoandro, ny andron’io fifidianana Solombavambahoaka, no tonga nanatsipalotra ny masony sy gaga tamin’ny fomba fifidianan’io olompirenena manana olana ara-pahitana io, na dia nanao tazan-davitra ihany aza ny ankamaroan’ny mponina. Nilamina fehizay moa ny fifidianana izay natrehin’ireo mpiara-dia amin’ny CENI,  nahitana ny mpanao gazety, ny vondrona iraisam-pirenena, ny mpanara-maso  na ny teny Soavimasoandro sy na Ambohibao. Tsy misy valaka amin’izany ihany koa ny tao amin’ny SRMV teny Ambohimanarina.

Claude Eric Ravonjy

Laisser un commentaire

Tendances

Propulsé par WordPress.com.

Concevoir un site comme celui-ci avec WordPress.com
Commencer