Medias-Madagascar Investigate

Fifaliana ho an’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara ny manambara fa tanora Malagasy mpitarika 11 no voafantina hisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship 2024. Manamarina ny faha-10 taona nisiany ihany koa ny YALI Mandela Washington Fellowship amin’ity taona ity.

Ny Mandela Washington Fellowship, izay ny fantatra indrindra amin’ny fandaharanasan’ny governemanta amerikana YALI, dia manohana ireo tanora afrikana mpitarika amin’ny alalan’ny fianarana akademika, fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, fianarana amin’ny alalan’ny fiahiana na mentoring, fampivelarana ny tambazotrana mpitarika, fivoarana amin’ny tontolon’ny asa, ary fandraisana anjara amin’ny fiainam-piarahamonina. Ny YALI dia fandaharanasan’ny governemanta amerikana miavaka indrindra amin’ireo ezaka hanohanana ireo tanora mpitarika ho avin’i Afrika hampandrosoana ny toekarena sy ny fiharina, hanamafisana ny fitantanana demokratika, ary hanatsarana ny filaminana sy fandriam-pahalemana manerana ny kontinanta afrikana.

Miisa 700 ireo mpisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship rehetra amin’ity taona ity, ary hiparitaka amin’ny toeram-pampianarana ambony miisa 28 any Etazonia izy ireo. Nihoatra ny 50 000 ny isan’ireo nangataka hisitraka io vatsim-piofanana io nanerana an’i Afrika.

Ireto ny lisitr’ireo Malagasy mpitarika izay hisitraka ny YALI Mandela Washington Fellowship ho an’ity taona 2024 ity:

•                     Andriantenaina Omena du Saint Rosaire Ranarivelonirina; Bridgewater State University

•                     Faniry Ainanomena Ramtariharisoa; University of Georgia

•                     Iry Raïssa Alaoy; Purdue University

•                     Dieu Donné Razaramaro; University of Maryland, Baltimore County

•                     Hasina Andriatsitohaina; Clark Atlanta University

•                     Mialinirina Rakotomanana; University of Minnesota, Twin Cities

•                     Herizo Stephan Rafidimanantsoa; Texas Tech University

•                     Koloina Anjatiana Ramaromandray; University of Iowa

•                     Lova Maël Rabemananjara; Michigan State University

•                     Antsa Raoelijaona; Texas Tech University

•                     Zina Harentsoa Raminosona Andriantomanga; University of Nevada-Reno

Aorian’ny Leadership Institutes izay hatao any Etazonia dia handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony izay hatao ao Washington, D.C. ireto mpisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship ireto ka hifampidinika miaraka sy hihaona amin’ireo amerikana mpitarika amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina ary mpitarika fikambanana samihafa. Hisy 100 amin’izy ireo avy eo hofantenana amin’ny alalan’ny fifaninanana ary afaka hampivelatra ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny asa mandritra ny efatra herinandro any amin’ny fikambanana na orinasa tsy miankina na koa ireo rafitra ara-panjakana any Etazonia.

Nihoatra ny 6 500 ny isan’ireo tanora mpitarika avy aty Afrika atsimon’i Sahara nisitraka ny YALI Mandela Washington Fellowship hatramin’ny niforonany ny taona 2014. Ny 95% ireo nisitraka io vatsim-piofanana io dia samy nilaza fa nitondra soa hoa azy ireo teo amin’ny sehatry ny asa ny fandraisany anjara tamin’izany.

Ny YALI Mandela Washington Fellowship dia fandaharanasan’ny Departementam-panjakana Amerikana izay vatsian’ny governemanta amerikana vola ary tantanan’ny IREX. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny YALI Mandela Washington Fellowship ianao dia midira amin’ny mandelawashingtonfellowship.org ary mandraisa anjara amin’ireo resaka momba ny #MWFCelebrates10 sy #YALI2024

Haja Nirina/ mg.usembassy.gov

Laisser un commentaire

Tendances

Propulsé par WordPress.com.

Concevoir un site comme celui-ci avec WordPress.com
Commencer